Lalana mideza ny ety an-tany Tsy misy antenaina,mandalo ihany Fa betsaka ireo kivy fo sy velon-taraina tokoa Andriamanitra ô (x2) Mitoera re anatin'ny fonay Ianao Fanahy Masina ô (x2) Mitoera re anatinay ianao
Inona ary anefa no hevitr'izany Anjara tinendry sa aloka ihany ? Diniho hoe izay banga aminao Fa sao lalan-kafa ny anao
Andriamanitra ô !(x2) Mitoera re anatin'ny fonay Ianao Fanahy Masina ô !(x2) Mitoera re anatinay Ianao
Raha ny fiainanay no tsy misy Anao Dia ny asan-tSatana no hanjaka ao Ianao no antom-pandresenay Ireo fahavalo ry Ray