1- Fony aho mbola zaza no nampianarina Hahafantatra Anao ry Tompo Mpamonjy Marina Teo ireo hafatrafatra sy ireo anatranatra Nomenao mba hananako fiadanana Nefa indrisy fa nararako an-tany Tsy nanaiky aho fa ho faty ireo izay tsy mino izany Ka nihazakazaka nefa ho any an-davaka Hadino fa raha tsy eo Ianao dia tsy ho sambatra Réf: Ankehitriny Ray ô Mba avelao izao ny heloko F'efa nanota taminao Ka dia mifona tsotra izao Ny fiainako dia neniko avokoa Ireo fomba ratsiko Tsy hataoko manin-droa 2- Saingy mba nomenao talenta kely Dia nihevitra fa afaka ny handeha irery Kanjo vao niatomboka d'efa indro potraka Soa ihany teo Ianao niantso ahy hiantoraka